Hanomboka anio 21 hatramin’ny 24 septambra ny foara iraisam-pirenena mikasika ny tontolon’ny fambolena. Fotoana hihaonana mivantana amin’ireo seha-pihariana voakasika, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Roa taona misesy izao no hanohanan’ny MVola ny tetikasan’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra samihafa. Mandroso vahaolana ara-bola mifanandrify amin’ny filana manokan’ny tsirairay amin’izy ireo. Anisan’ny […]
Other News
Miara-mirona
Aiza isika no tsy hilamina eo !? Izao tokoa ilay isavorovoroan-kilantoana. Manao rano lava amin’izay ny fanambarana fanohanana ny kandidà izatsy na izaroa. Nangina vetivety ny ady saritaka teo amin’ny kandidà hoe hanao sy tsy hanao. Milamindamina ny raharaha politika, omaly. Efa nivadi-dela ny ankamaroan’ny komity mpanohana. Zary nifaninanana indray aza […]
Famaranana ny fandaharanasa Formaprod : tanora 195 000 nisitraka fampiofanana manerana ny Nosy
Fandaharanasa manampy ny tanora ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eny ambanivohitra nandritra ny 10 taona ny Formaprod. Betsaka ny tombontsoa azo, manana asa mendrika sy fidiram-bola maharitra ny ankamaroan’ireo nisitraka fiofanana. Mandray anjara betsaka amin’ny fampiofanana ara-pamokarana ny tanora ho lasa mpamokatra matihanina eo amin’ny tontolo ambanivohitra […]
TSELATRA
Kila tanteraka tsy nisy noraisina ny fiara taxi nirehitra teo amin’ny toeram-piantsonana akaikin’ny fiangonana Katolika Ambanidia, omaly. Voalaza fa olana tao amin’ny moteran’ny fiara no nitarika ny firehetana. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto iray nifandona tamina fiara […]
Very ny vola an-tapitrisany ; « Quincaillerie » notafihan’ny jiolahy teny Ilafy
Nitrangana fanafihan-jiolahy tsy nisaron-tava, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray teny Ilafy, omaly atoandro. Voaambana basy ny mpiasa ka lasa ny volabe tao anaty fitoeram-bola. Toeram-pivarotana kojakojana fanamboarana trano ity notafihan’ny jiolahy telo nitondra basy roa sy antsilava iray ity. Araka ny fitantaran’ny tovolahy iray mpiasa ao amin’ity toeram-pivarotana ity, tonga […]






