Hiatrika ny fifaninanana “Basket ball Africa League (BAL)”, dingana voalohany, ny 1 hatramin’ny 8 oktobra izao ny ekipan’ny Cospn. Ekipa tompondakan’i Madagasikara farany ka voatsonga hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Vaovao voaray teny anivon’ny klioba fa hanatevin-daharana indray ny Cospn, ilay mpilalao basikety amerikanina, i Bishop Michael Coulter. […]
Other News
Kitra – Fitantanana ny Barea de Madagascar : mety ho tohizan’ny FMF ny fiaraha-miasa amin’ny Me Rôrô
Tsy mbola voatendry hatramin’izao izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanohizana ireo lalao iraisam-pirenena manaraka. Mifamahofaho be ny resaka saingy heno fa mety ho ny Me Rôrô ihany no hotazomin’ny FMF. Tsy manana mpanazatra ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fanendrena nataon’ny Federasiona […]
Loholona Ramanambitana Richard : “Aoka tsy ho voarebireby ny vahoaka”
“Tokony hipetraka amin’ny toerany ny firaisamonina sivily, amin’ny fakana sy fanomezana hevitra ary mijanona ao anatin’ny maha fikambanana azy”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy tokony hiditra amin’ny tontolo politika ny firaisamonina sivily amin’izany, ka lasa mitarika savorovoro sy fanakorontanana eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena. […]
Depiote Velontsara Paul Bert : naneho hevitra momba ny fitakian’ny Rohy
Taorian’ny fanairana nataon’ny firaisamonim-pirenena Rohy, teny Ambatonakanga, ny alatsinainy lasa teo. Nilaza ny heviny, Velontsara Paul Bert, solombavambahoaka voafidy tao Port-bergé, omaly. Nambaran’ity solombavambahoaka IRD ity fa efa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Rehefa tsy vonona ny handray ny toerana maha filohan’ny Repoblika mpisolo-toerana azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, afaka mandray ny […]
Vaovao tambatra
Samy miandry ny fandehanan’ilay fitaterana an-dalamby (train urbain) ny ankamaroan’ny Malagasy. Mbola misy ny fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony miaraka aminy mbola tsy vita hatramin’izao, antony mampiato ny fandehanan’ity fitaterana ity. Tokony ho noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny volana aogositra teo ny tetikasa saingy nahemotra izany. Manohana ny mpandraharaha amin’ny alalan’ny […]






