Other News

“First Global Challenge”: Tanora malagasy miisa 5 ho any Singapour

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Raza­fin­dramalo Tahina, omaly, ny ekipa malagasy tanora handray anjara amin’ny fifaninanana “First Global Challenge”, ny 7 hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Fifaninanana iraisam-pirenena, andiany fahafito, miompana amin’ny fikarohana siantifika sy ny teknolojia niomerika. […]

Famokarana anaty rano : jerena ny paikady hampivoarana ny toekarena manga

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Vondrona Afrikanina ny famolavolana paikady hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga, ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063” eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Fandahara­nasa mifantoka amin’ny fanomezana asa, amin’ny alalan’ny harena anaty rano, sy hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]

INDRAY MIJERY

Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana miloko mena, anio, eo anelanelan’i Besalampy sy Vangaindrano noho ny ranomasina hahery be. Tomba­nana hahatratra hatramin’ny 5,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Morondava hatrany Taolagnaro, manodidina ny 3m kosa ny eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava sy ny any Taolagnaro hatrany Vangaindrano. Ivontoeram-panofanana tsy miankina niorina […]

TARATRY ny KANTO

Kontroller. Tanterahina eny amin’ny Aft Anda­vamamba, ny 4 oktobra 2023 ho avy izao, ny fampisehoana « Kontroller ». Vondrona mpandihy sangany eo amin’ny dihy ankehitriny no handray anjara amin’ny fampisehoana. Ny Aft miaraka amin’ny “Trotra festival international de danse contemporaine” no mikarakara ny hetsika. “Little Miss & Mister Univers”. Misolo tena an’i […]