Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio alina, ny praiminisitra, sady filoham-panjakana miara-mitantana. Handeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny resadresaka. Hizara izany koa ny fitaovan-tserasera tsy miankina sy ny tambajotran-tserasera. Manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny finiavana hamboly korontana sy krizy politika vaovao kasain’ny sasany hatao […]
Other News
Teti-panorona
20 andro sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana voalohany. Hatramin’izao anefa, mbola manjavozavo ny tena fandehan’ny raharaham-pirenena. Samy manao izay mahafalifaly ny fony sy ny sainy ny ankolafin-kery samihafa. Tsy misy sahy mandray ny andraikitra mifanaraka amin’ny foto-keviny. Lany andro manao […]
Hetsiky ny Bianco : mpikambana sivy tao amin’ny Ceni nosamborina
Nandray ny andraikiny ny Bianco, manoloana ny tsy famerenan’ireo mpikambana taloha tao amin’ny Ceni ireo fitaovana nampiasainy. Olona sivy voasambotra! Araka ny vaovao voaray omaly, teo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), mpikambana taloha tao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, Ceni, miisa sivy no nosamborin’izy ireo. Vontoatin’ny antontan-taratasin’ady ny resaka fanodinkodinana […]
Tselatra
Tafahanika amin’ny rindrim-bato manamorona ny fefiloha Sisaony, teo akaikin’Antanimenabe Ampitatafika, ny taxi-be zotra G iray, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nieren-doza avokoa ireo mpandeha tao anatiny. Tratran’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely ny jiolahy iray nanafika fiangonana. Nanafika tokantrano iray ao Antanetibe, fokontany Manjaka […]
Naiditra am-ponja: novakin’ny mpiambina ny tranon’ny mpampiasa azy
Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja ny jiolahy iray nanao fivadiham-pitokisana sady nangalatra tao an-tranon’ny mpampiasa azy, tao Mananara Avaratra. Saron’ny polisy ny 17 septambra 2023 teo ity jiolahy ity. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny renim-pianakaviana iray noho ny halatra niseho tao an-tokantranony. Very tamin’izany ny moto, […]






