Other News

Kilalaon-tsaina malagasy : mirakitra zavatra maro ny fanorona

Mitaiza ny saina sy afaka atao paikady entina miaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanorona. Mihatakon’ireo kilalao vahiny sy taty aoriana anefa izy ankehitriny. Tsy mikely soroka fa efa ao anatin’ny ezaka fameloma-maso izany ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsa­havola, manomboka ny 23 septambra 2023, ny fampianarana fanorona sy […]

Vaovao tambatra

Niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany. Mahatonga izany ny halafosan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 400 dolara ny vidin’ny 1t. Raha adika io, mahatratra 140 000 Ar ny vidin’ny iray gony, milanja 50 kg, handraisan’ny mpamongady azy. Manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny […]

Fanajariana ny lakandrano C3 : miisa 559 ny tsatoka napetraka eny Anoibe- Namontana

Mitohy ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny Fadaha­ranasa fanajariana sy fanatsarana ny lemak’Antananarivo (Produir), vatsian’ny Banky iraisam- pirenena ara-bola. Voakasik’izany ny fanajariana, ny fanadiovana, ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Anisan’ny asa hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3, miainga eny Anosibe hatrany Ambodimita. Nampahafan­ta­rina sady nentanina ny […]

Ady amin’ny kolikoly PAC : manao ranolava ny ben’ ny Tanàna voarohirohy

Nanatanteraka ny fitsarana mitety vohitra ny eo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), avy any Anta­nanarivo, ny 24 sy 25 Aogositra teo. Nisy ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, nifantoka tamina fanodikodinam-bolam-panjakana, hosoka sy fanoratana hosoka, fanararaotam-pahefana, nitsarana ben’ny Tanàna maromaro nandalo fotoam-pitsarana. Ho an’ny kaominina ambanivohitr ‘Antsampanana, […]

Famatsian-drano : misy tsy tomombana ny milina eny Mandroseza

Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany. Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, […]