Other News

FANTINA sy FINTINA

Manao ranolava ny fihaonan’ireo kandidà 10 amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Noraisin’ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika izy ireo, afakomaly, teny Andraharo. Nitohy tamin’ny dinika tamin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina (UE), izany, omaly. Tsy nisy nipika hatrany ny dinika. “Misy hatrany ny politika. Niainana an’izany avokoa teto amin’ny firenena: savorovoro rehefa misy […]

KMF/Cnoe : “Takina ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’ny fifidianana”

“Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’izao zotram-pifidianana izao. Aza hadinoina fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny filoham-panjakana manomana fifidianana”. Io ny fanamba­ran’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena hoe “Very hasina ny Antenimierando­holona”, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao, nefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny […]

Mailo sy malina !

  Vanim-potoana saropady no lalovan’ny firenena ankehitriny. Ilana fitandremana lehibe hatramin’ny vava havoaka. Mahazo vahana ny fanelezam-baovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Mila mailo amin’izay zavatra ho henoina. Mila malina amin’izay hinoana. Fadiana ny miantoratoraka amin’izay malama vava. Maro no mahasahy mivarotra am-pitsanganana. Malina ihany koa mahakasika ny tsy fandriampahalemana. […]

Rasoamaromaka Hery : «Fitoniana no ilain’ny vahoaka izao»

Hanao ahoana izao toe-draharaha politika mafanafana izao? Fitoniana no ilain’ny vahoaka, raha ny fijerin’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasaomaromaka Hery. “Fitoniana no ilain’ny vahoaka amin’izao. Raha izao no mbola hisy korontana, iza no hahazo tombony amin’izany? Izany no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra intsony amin’ […]

Nidoboka eny Tsiafahy : lehilahy namono ny sakaizany mitondra vohoka

Natolotra ny fampanoavana afakomaly ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nahavanon-doza, nahavita namono ny sakaizany mitondra vohoka. Ny 12 septambra 2023 maraina, nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontany Anta­nety, kaominina Fenoarivo, ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy momba ny fahitana fatim-behivavy iray tao anaty tanimbary. Nidina teny an-toerana nanao fizahana […]