Other News

Amboaran’ny filoha: tafita amin’ny manasa- dalana Antananarivo sy Antsiranana

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, by-pass, ny andro faharoan’ny am­boaran’ny filoha “Coupe du Président” 2023, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana Antananarivo sy Antsirananana. Marihina fa nomontsanin’Antananarivo, tamin’ny isa 5 no ho 1, i Toliara, raha toa ka nandavo an’i Mahajanga, 3 no ho […]

Sombim-baovao

Nahazo vokatra tsara ny ekipan’Analamanga FC Rouge, omaly, nandritra ny andro fahadimy, fifaninanana D2 Nasionaly. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ ny isa 10 no ho 0, ny FCA Analanjirofo. Marihina fa manana isa 5 ny FC Rouge amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fifaninanana ! Afaka 11 andro, hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, […]

“IHF Trophy continental”: ratsy ny vokatra ho an’ny Akio

Nifarana ny sabotsy 12 ao­gositra lasa teo, tao Abid­jan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny “IHF Trophy continental”, so­kajy zandriny, vehivavy (cadette) sy «junior». Ratsy ny vokatra ho an’ny Akio de Madagascar. Tsy nahazo fandresena mihitsy mantsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ireo lalao rehetra nataony. Nametraka azy ireo, […]

Lalaon’ny Nosy: noraisina tany Antsiranana ny afo Olympika

Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsi­ranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao. Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Naka izany tany Maorisy […]