“Tsy manao valifaty ary mametraka ho ambony ny fihavanana isika”, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny Mihava Tour tao Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo. Nampanantena ny hanokatra ny orinasa Tiko, ahena ny vola aty amin’ ny fanjakana foibe ary omena ampahany betsaka ny kaominina. Namaranan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, […]
Other News
Minisitra Yvette Sylla: “Mahasarika olona i Madagasikara amin’ny JIOI”
“Mahasarika ny vahiny i Madagasikara amin’ny fikarakarana sy fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy (JIOI). Noho izany, ho avy eto ireo filom-pirenena eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ho avy eto ny filohan’i Maurice, indrindra ny […]
Soa toa lavina
Aiza ho aiza ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ ny antoko politika sy ny kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy very na maty hafoy, tsy antenaina avy hatrany. Manana ny fotoany ny zavatra rehetra? Na izany aza, miankina amin’ny tena ihany ny hoe fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika. Manana etika sy […]
Filoha Rajoelina tany Antsiranana ; “Hojerentsika ny maha olona : tanora, tantsaha…”
Niompana amin’ny sosialy, indrindra ny fiahiana ny maha olona ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry tany Antsiranana, ankoatra ny fanatanjahantena. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny camp pénal ao Andaloasy, Sadjoavato, ny dian’ny filoha Rajoelina tany Antsiranana ny sabotsy teo. Nambarany fa hahazo fanalefahan-tsazy ireo miasa tsara sy tsara fitondrantena. “Lalana iray hiverenan’ny […]
TSELATRA
Mitohy hatry ny omaly ny fanarahan-dia ataon’ny Tafika sy ny zandary ireo nanapa-doha zazalahy 5 taona tao amin’ny fokontany Ehindy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy. Fokontany efatra niara-nihetsika amin’ny mpitandro filaminana manara-dia ireo olon-dratsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny ao ambadik’izao heloka mamohehatra izao. Sinoa iray sy olona roa hafa manaraka fitsaboana […]






