Notanterahina omaly, teny Tanjombato ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny mpianatra injeniera eny amin’ny polytéchnique Vontovorona sy ny mpikarakara ny hetsika (fia) foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nisy ihany koa ny fiofanana nataon’ireo mpianatra momba ny teknika sy fahaiza-miteny amim-pahatokiana sy mazava. Mba hahafahana mampihodina sy mandresy lahatra ny […]
Other News
Mora manadino
32 taona sahady ! manamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny andron’ny 10 aogositra. Andro izay niarahan’ny rehetra nahalala fa namadika ny pejin’ny tontolo politika teto Madagasikara. Nanomboka tamin’izany fotoana izany no voalaza ho demokratika ny firenena satria nisy ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto amintsika. Nahazo vahana ny filazana fa malalaka […]
Belemboka sy Belalanda : hitondra fampandrosoana ny tetikasa Base
Tsindriandaona ny mponina any amin’ny kaominina Belomboka sy Belalanda, samy distrika Toliara II, manantena ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ho azy ireo, hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’asa sy hampandroso ny faritra ity tetikasa ity. Notsorin’ny ben’ny Tanàna Belomboka, Fiadanantsivita, fa miray feo tanteraka ny mponina any Belomboka, manohana ny fitrandrahana […]
TSELATRA
Tokantrano iray norobain’ny olon-dratsy tao Soavinimerina, kaominiana Ambohimanga Rova, omaly. Lasan’ny olon-dratsy ny finday roa sy zavamaneno iray, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nitsambikina varavarankely ilay mpandroba ka nitsoaka. Fiara tsy mataho-dalana roa nifandona teny amin’ny lalan’i Tsarasaotra, omaly tolakandro. Samy nandeha mafy ny mpamily ka niafara tamin’ny loza. […]
Nandroba volamena : dahalo roa lahy maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanafika mpitrandraka volamena tao Ambatomaranitra, amoron’ny reniranon’i Matsamena, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nandroba ireo mpitrandraka tao amin’io toerana io ny dahalo telo lahy nirongo basy. Trano maromaro lasibatra tamin’izany. Lahy antitra iray, nodarohan’ireo tsy mataho-tody. Nanapoapoaka basy ireto farany. Raiki-tahotra ny mpitrandraka. […]






