Other News

Sombim-baovao

Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’iza­ny, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise […]

Judo-Frankôfônia : votsotra teo an-tanan’ i Mireille ny medaly

Judokas tokana tafakatra tamin’ny dingana farany, omaly, tamin’ireo Malagasy nifaninana teo amin’ny taranja Judo, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, Andriamifehy Mireille (-52kg). Votsotra teo am-pelatanany anefa ny me­daly alimo, rehefa resin’ny mpifanandrina taminy, Ka­me­rone, izy. Tsiahivina, nandresy tamin’ny Ippon, nanoloana ny Judokas Senegale, i Sonko Dioddo, i Mireille, ta­min’ny fifanintsanana. Ho […]

Kitra – Fifanintsanana Can 2023: ny 7 septambra ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara

Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara. Marihina fa andro farany amin’ny fifanin­tsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. […]

« Festival Somarôho 2023 »: Feno seho ara-kolontsaina ny hetsika

Tontosa omaly, tany Nosy-Be, ny fanokafana ny « Festival Somarôho » andiany fahafolo, sy ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny tarika Wawa. “Carnaval” lehibe, nanehoana ny mampiavaka an’i Nosy-Be no nanokafana ny hetsika. Vahiny sy teratany malagasy maro no tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hetsika ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hameno […]

INDRAY MIJERY

Notontosaina tao amin’ny distrikan’Ikongo ny fametrahana ny vatofototry ny EPP manara-penitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nitarika izany lanonana izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana, notronin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry amin’iny faritra iny. Amin’izao Herinandro maneran-tany ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny izao, manamafy ny fanentanana, hametrahana toerana voatokana ho an’ireo reny mampinono […]