Namoaka fanambarana, ny 29 jolay teo, ny Monima ary nampahatsiahy ny faha-65 taona nijoroan’ny antoko. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manana vinam-piarahamonina mifototra amin’i Madagasikara otronin’ny Malagasy ny antoko. ”Tsy sarivongan’ny tombontsoa vahiny izahay ary vonona hanova ny hoavy”, hoy ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly, i Roindefo Monja. Notanisain’ ny Monima amin’izany fa hiarovana ny […]
Other News
Fanohanana firotsahan-kofidina: nanao fanambarana ny fijoroany ny KMMR
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika amin’ izao ankatoky ny fifidinanana, ho filoham-pirenena hotanterahana ny 9 novambra, izao. Tsy niandry ela fa nanao fanambarana ny fijoroany eto anivon’ny faritra Atsinanana ho mpanohana ny kandidà Ravalomanana Marc ny vondron’ olona sy fikambanana maromaro, mandrafitra ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR). Nampahafantarina ampahibemaso, omaly […]
Iavoloha : nandray ambasadaoro efatra ny filoha Rajoelina
Masoivoho vaovao efatra no nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro eto Madagasikara tamin’ny filoha Rajoelina, teny Iavoloha, omaly. Teo ny maisovohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, ny Repoblikan’i Seychelles, ny fanjakan’i Belgique, ny Repoblikan’i Congo. Masoivohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, ny Sem Fahd Abdullah Fahd Aleisa. Efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. […]
FILOHA Rajaonarimampianina: “Niverina aho ary hijoro…”
Nihazo ny any Atsimo Atsinanana, tany Farafangana, ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly. Mazava ny hafany. “Antony niverenako sy hijoroako ankehitriny ny hitondra fanantenana vaovao ho an’ireo very hevitra sy diso safidy”, hoy izy. Notsiahiviny fa tanàna manana ny maha izy azy i Fararafangana. Betsaka ny fotodrafitrasa fototra sy […]
Minisitry ny Atitany: “Mila drafitra ny fampandrosoana”
“Misy ny fitenenana hoe tsy misy fampandrosoana vanona, raha tsy misy ny fanaovana drafitra maro samihafa.” Io no fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, tany Bealanana, faritra Sofia, afakomaly, tamin’ny fanombohana ofisialy ny famolavolana drafitra fanajariana ny kaominina amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Zava-dehibe amin’ny fitsinjaram-pahefana izany, fa […]






