Other News

Razafindradiaso Josia Francklin: “Fahavitan’ny lalana no vahaolam-piainana ao Marolambo”

Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana? Na tany lavitra fanjakana foibe… Maro olana i Marolam­bo: delestazy, vidim-piaianana…. Fahavi­tan’ny lalana no vahaolam-piainana, raha ny nambaran-dRazafin­dradiaso Josia Francklin. Fane­hoam-pijery… “Ny fahavitan’ny lalana no heverin’ny mponina fa vahaolana amin’ny fiainana ankapobeny. Raha vita ny lalana, mihena ny vidim-piainana. Mampisokatra kokoa ny fomba fijerin’ny […]

Fitantanana ny OMDA : nanao antso avo ny mpanakanto sasany

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo, ny mpanakanto maromaro, omaly. Ny mahakasika ny fitantanana ny Office Malgache du Droit d’Auteur (OMDA) no noresa­hin’izy ireo tamin’izany. Nisy koa ny fangatahana maromaro nataon’ireto mpanakanto ireto, anisan’izany ny fandaniana ny lalàna mikasika ny OMDA. “Tsy manohitra an’iza an’iza […]

TARATRY ny KANTO

Sarotra, hono, ny mamaritra ny atao hoe « kanto » ! Andram-pamaritana hita ao anatin’ny boky «Valihan’Ikaky», nivoaka ny taona 2019, nilaza fa : «Rehefa tsy manimba na mamotika na manova ny soatoavina ny «zavatra» iray, dia izay no atao hoe zavakanto. Noho izany, tokony hahay ny soatoavina, fomba amam-panao, […]

Frankôfônia zavakanto: ho fantatra ny anka­ma­roan’ny vokatra

Miandry ny vokatra… Tontosa omaly, ny fanomanana ho an’ireo mpanakanto nifaninana anatin’ny sokajy saripika, sokitra ary hosodoko, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, any Kinshasa, RDC. Na teo aza ny fahataran’ny fitaovana nampanantenain’ny komity mpikarakara, tratran’i Richianny Ratovo ihany ny sanganasa nataony taty an-toerana. Toraka izany koa ny an’i Fitiavana Ratovo […]

Fampitiavana ny jazz : naroso ny andiany faha-12 amin’ny « Jazz@tohatohabato”

Hetsika kolontsaina anisan’ny lehibe fanao isan-taona eto Madagasikara ny “Jazz@tohatohabato”. Hotontosaina tsy ho ela ny andiany faha-12. Raha ny volana oktobra hatrany no nahazatra ny mpitia jazz hatramin’izay. Ho an’ity andiany faha-12 ity, naroso izany. Ho­tanterahina eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny 9 aogositra ka hatramin’ny 13 aogositra izao ny […]