Other News

Nanolana ankizivavy 16 taona: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, omaly, ny lehilahy roa. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, tany Antanifotsy. Teny ambony bisikileta handeha hody ity ankizivavy ity no tratran’ireto olon-dratsy ireto. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tao Antsirabe, omaly, ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, ny 16 febroary 2026, […]

Badminton – Afrique 2026: Tsy namokatra ny Malagasy

Notontosaina tany Gaborone, Botswana, ny 9 hatramin’ny 12 febroary lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior. Nandray anjara teo amin’ny lehilahy i Madagasikara ka niray vondrona tamin’i Algerie sy i Zambie. Ratsy ny vokatra, satria tsy nivoaka vondrona ireo mpilalao niatrika izany. Teo amin’ny lalao voalohany, […]

Barean’i Madagasikara : Hilalao any amin’ny firenena eoropeanina sy afrikanina

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray […]

Hosodoko: “Tsiaro ny lasa”, hitarafana ny 40 taona mahery…

44 taona lasa ny marina ko­koa, satria efa tamin’ny taona 1982 izy ireo no niara-dalana. Mpianatr’i Hans Ranaivoson avokoa, teo amin’ny sehatry ny hosodoko ry Georges Rakoto­manana, William Randria­manana, Rafalimanana, Rakotomalala Joe ary Mira­niaina Randriamalala. Tafaraka indray izy ireo ankehitriny, ka hiara-hanatontosa fampirantiana “Tsiaro ny lasa”. Nosoka­fana tamin’ny fomba ofisialy, […]