Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, omaly, ny lehilahy roa. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, tany Antanifotsy. Teny ambony bisikileta handeha hody ity ankizivavy ity no tratran’ireto olon-dratsy ireto.
Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tao Antsirabe, omaly, ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, ny 16 febroary 2026, lasa teo. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’ Antsirabe avokoa izy ireo, taorian’izay. Niaiky ny heloka nataony moa izy roa lahy ireo, rehefa nanontanian’ny polisy. Tsiahivina, fa notafihin’olona roa tsy fantatra teny an-dalana io ankizivavy tsy ampy taona io, rehefa nikasa andeha hody an-trano. Avy nianatra izy ary nandeha bisikileta no nosakanan’ireo olon-dratsy ireo ka naholana avy eo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Ankoatra izay, mbola norobain’ireo roa lahy ireo ihany koa ny finday miisa roa sy ny kitapo teny aminy nandritra izany. Taorian’ny asa ratsy nataon’ireto mpanolana ireto, nahavita nandositra nanavo-tena ilay lasibatra. Mbola nikasa ny hamono ity zazavavy ity moa ireo mpanolana tamin’izany, saingy tafaporitsaka ity farany.
Voasambotra telo andro taty aoriana
Niantso vonjy sy nahavita nitaraina ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny tany an-trano ity zazavavy ity, taorian’izay. Tsy niandry ela fa tonga nitoroka teny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena ao Antanifotsy avy hatrany izy ireo. Nandray andraikitra haingana ny Polisy tany an-toerana ka nanao ny fikarohana sy fanadihadiana rehetra mikasika ireo nahavanon-doza. Telo andro taty aoriana, voasambotra tany an-trano fonenany avy ireo olona roa voarohirohy ireo.
Efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay ankizivavy lasibatry ny fanolanana. Efa tsy misy atahorana rahateo ny toe-pahasalamany amin’izao fotoana izao. Marihina fa sazin’ny lalàna higadra an-tranomaizina roa hatramin’ny dimy taona ny olona iray tratra manadala na manolana ankizy tsy ampy taona. Mbola mandoa onitra 100 000 hatramin’ny 900 000 Ariary ihany koa ny tompon’antoka. Azon’ ny rehetra atao ihany koa ny miantso ny laharana maitso 147, raha misy trangana fanolanana sy herisetra amin’ny endriny hafa.
Mino




