Tsy mbola nifarana eo. Mangata-panazavana amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny loholona MMM, manoloana ny fiverimberenan’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea. Nohitsin’ny fanambaran’ny antoko Malagasy miara-miainga fa tranga efa niseho teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro nifanesy izany. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2019 nefa […]
Other News
Vaovao tambatra
Hampiakarina ho 750 m3 raha 200 m3, ankehitriny, ny rano kirakiraina ao an-tampon-tananan’Antsiranana I. Asa maika famatsian-drano any ny fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Avaratra ary Maromagniry. Tetibolan’ny minisiteran’ny Rano, amin’ny alalan’ny tsenan’asam-panjakana, ka hahena ho 15 andro ny fe-potoana hisokafan’ny tolo-bidy. Hamboarina ny ampahan-dalana (RN 7) ao an-tampon-tananan’Antsirabe, mandalo any Mandanindresaka […]
Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody
Fotoana manomboka mampirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mirefy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, […]
Ranomasimbe Indiana : fiatrehana ny loto an-dranomasina
Mikarakara hetsika miaraka ny Foibem-paritra mpandrindra (RCOC) sy ny Foibem-paritra iombonan’ny sampandraharaham-baovao an-dranomasina (RMIFC), ahitana ny hery ara-tafika misahana ny fiarovana an-dranomasina any amin’ny ranomasimbe Indiana, tapany andrefana. Nanomboka ny taona 2018 ny nisiany, ary hisy ny fanazarantena manoloana ny fahalotoan’ny ranomasina, ny 25 hatramin’ny 27 jolay 2023 izao any […]
Jirama : Teratany vahiny no hanarina ny fitantanana
Manodidina ny 20 ireo nandrotsaka antontan-taratasy hitantana ny fanarenana ny Jirama. Taorian’ny dingana, masontsivana maro, roa sisa no hisafidianan’ny fanjakana malagasy, izay teratany vahiny daholo. Tsy mora ny fanarenana ! Mahatratra 1 400 miliara Ar ny fatiantoky ny Jirama. Araka ny toro-mariky ny Banky Iraisam-pirenena, tsy maintsy atao ny fiantsoana eto […]






