Hifarana anio ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny ligim-paritra, taranja baolina kitra. Ny sabotsy 12 aogositra ny hanatontosana ny fifidianana manerana ny ligim-paritra 23. Izay ho lany eo no hifidy indray ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasy (FMF), ho an’ny taom-piasana manaraka. Hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra 2023, any […]
Other News
Lomano-Eran-tany: hiditra an-tsehatra, anio, i Tendrinavalona Idealy
Andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano, dobo filomanosana 50 m, anio, any Fukuoka Japon. Hiditra an-tsehatra anio, eo amin’ny 100 metatra “dos” i Tendrinavalona Idealy, raha toa ka efa nifaninana teo amin’ny 100 metatra “brasse” kosa, Raharvel Jonathan, omaly. Laharana faha-10 teo amin’ny “série” nisy azy i […]
Basikety-Mada U14 : Tompondaka zazavavy ny Lucadro avy eto amin’ny Faritra Analamanga
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety, ny Lucadro avy eto Analamanga. Tsy mbola fantatra kosa ny tompondaka ho an’ny zazalahy. Norombahan’ny ekipan’Analamanga, ny Lucadro ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety. Resin’izy ireo tamin’ny isa 34 no ho 24 ny ekipan’ny Academics Analamanga, omaly. Laharana fahatelo […]
TARATRY ny KANTO
Maro ireo fialamboly “vita Bacc”, tamin’iny faran’ny herinandro iny. Nanomboka izany ny “Fiderana vita Bacc”, teny Antsahamanitra, ny zoma teo. Somary vitsivitsy kanefa afa-po tamin’ny fiderana an-kira ireo tonga nanatrika. Nahatontosa ny iraka napetraka taminy ireo tarika sy mpanakanto marobe, toa an-dry Jaws Band, Aaron Pretra, Dida sy Tahiana, sns. […]
« Manal’azy vita bacc » : tsy nahasakana ny mpankafy ny fihemoran’ny hetsika
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Antsahamanitra, ny hetsika “Manal’azy vita Bacc”, andiany faha-30, niarahana tamin’ny tarika Olombelo Ricky, nokarakarain’ny Origina Event mg. Fahombiazana hatrany no azon’ny mpikarakara. Hetsika efa misy isan-taona izy ity ary mbola hitohy hatrany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Zary lasa fanao ny “Manal’ azy vita Bacc” […]






