Other News

« Fehezan-kanto hafa mihitsy » : Nahaliana ny tanora ny hetsika

Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana « Fehezan-tseho hafa mihitsy”, nokarakarain’ny Onjampeo feon’Imerina. Mpahay kanto miangaly ny mozikan’ny taona 70 sy 80 no nanatanteraka izany, niaraka tamin’ny tanora mpamelo-maso ny gadona. « Tanjona tamin’izao hetsika izao ny hameloma-maso sy hampiroborobo ny kalo fahiny, izay mitondra fanabeazana sy kanto tokoa » hoy […]

Mahaleo – Princio – Samoëla : “Tsy mbola nisy tao anatin’ny 50 taona ity”, hoy i Dama

Seho nandrasan’ny maro iny. “Revirevy maty masoandro”, saingy tsy nangatsiaka mihitsy no natolotr’ireto mpanakanto samy mpivoy ny hira vokatry ny tany ireto. “Anio isika dia hiaina revy tsy mbola fahitantsika. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 50 taona nisian’ny tarika Mahaleo, ka mahaiza mankafy tsara”, hoy ny nambaran’i Dama, vantany vao […]

Fiarovana ny tontolo iainana : omen-danja ny fampiasana ny arina maitso

Anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ahazoana tombontsoa ara-toekarena sy eo amin’ny fahasalamana ny fampiasana ny saribao maitso. Manome vahana ny fampiasana ireo akora tsy ilaina intsony ny fanamboarana izany. “Efa simba ny tontolo iainana ary mitarika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany noho ny fandripahana ala be loatra eto Madagasikara”, hoy Ramamonjisoa Tahinjanahary Sedera, mpitarika mpanampy […]

FANTINA sy FINTINA

Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe amin’ny mety ho fihaonan’i Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ary koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny HVM. “Eto an-toerana ny mpanorina ny antoko fa tsy any Frantsa”, hoy Rakotovao Rivo. Matotra ny fiaraha-miasan’ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemanta sinoa sy malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, tamin’ny fitsidihan’ny […]

Loholona Ramanambitana Richard : « Leo fanapotehana sy fanakorontanana ny vahoaka »

“Efa ankatoky ny fifidianana isika izao, tsy te hahita krizy intsony isika eto Ma­dagasikara. Leo korontana sy fanapotehana ny vahoaka. Mankany amin’izany fanapotehana izany ny teti-dratsin’ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Rama­nambitana Richard, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Efa nohazavain’ny filohan’ny Repoblika ny momba ny fizakany […]