Other News

Ady fiady… saro-pady

  Mahabe resaka tato ho ato ny sosialim-bahoaka. Hadinodino? Eny, na efa nambara aza fa ho laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’ity taona ity. Mby aiza? Voalohany sy lehibe ary maika amin’izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Anisan’ny antony sy vokatry ny lafin-javatra hafa rehetra? Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy […]

Fandaharanasa CLIM-INVEST: tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny sehatra tsy miankina

Hisitraka tohana amin’ny alalan’ny fandaharanasa CLIM-INVEST ny sehatra tsy miankina. Voafaritra nandritra ny fivoriana niarahany ny rafitra iombonana ho an’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nivory ny herinandro lasa teo ny vondron’ny se­hatra tsy miankina. Voa­solo tena tao avokoa ireo sampandraharaha samihafa. Tanjona ny hanamafisana ny filana sy ny fanohanana ny sehatra tsy […]

TSELATRA

Zaza kambana hita faty, nisy nanary, tetsy Andohatapenaka II, omaly maraina. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’ireo zaza ireo. Kambana mbola tany am-bohoka izy roa ireto saingy tsy fantatra ny nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tratran’ny polisy ny mpangarom-paosy iray tetsy Behoririka, afakomaly. Hitan’ny “caméra”, manaraka […]

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : nokaramaina 30 000Ar ireo jiolahy hanaparitaka vola sandoka

Tsy milamina intsony ny tanàna! Miparitaka izaitsizy indray ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Any amin’ireo lanonana sy tsena any ambanivohitra no tena hanaparitahan’ireo olon-dra­tsy ireny vola sandoka ireny. Voa­sambotry ny fokonolona tao Ambatomena fokontany sy kaominina ao ihany ny vehivavy iray sy ny anada­hiny, niaraka tamin’ny vola sandoka, afakomaly. […]

Halatra vy an’ny Jirama : telo lahy naiditra am-ponja

Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra vy amin’ny andrin-jiron’ny orinasa Jirama. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo lahy taorian’izay. Ny 15 jolay 2023 izy ireo no voasavan’ny zandary teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao anaty fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambanitsena sy Mahazo. Nahazo antso […]