“Mahazo mirotsa-kofidina avokoa izay te hirotsaka. Na izany aza, mila atao mazava tsara ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vondrona Hery politika mitambatra (HPM), Razaka Robert, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Tsy mety raha samy manana ny fandikany ny lalàmpanorenana ny mpahay lalàna. Mila soratana mazava amin’ny maha Malagasy sy […]
Other News
Fitsirihana lisi-pifidianana: manao fanitsiana avy hatrany ny Ceni
Nahitsy sy nohatsaraina avy hatrany izay azo natao avy amin’ny toromarika tamin’ny fitsirihana, araka ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, tamin’ny fitsirihan’ny OIF ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Ny sehatry ny lalàna sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fifandraisan’ny isan’ny mponina amin’ny isan’ny mpifidy […]
Rabary Paul: “Tokony mbola hampiakarina aza ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”
Mahabe adihevitra ny nampiakarana ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika ho 200 tapitrisa Ar. Tokony mbola hampiakarina aza izay, raha ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Fanehoan-kevitra… “Amiko, mbola tokony hampiakarina noho izao aza io 200 tapitrisa Ar io. Mba tsy hisy intsony eto Madagasikara ny kandidà tsy mieritreritra ny […]
TARATRY ny KANTO
Anio ny “Manala Azy” andiany faha-30. Manomboka amin’ny 6 ora hariva ny fotoana efa ifanomezan’ny Olombelo Ricky amin’ireo avy nanala baka. Eo ihany koa anefa ireo “taranaka mpanala azy”, izay lasa mpankafy isaky ny alakamisy faran’ny baka. Tsy azo ihodivirana ireo hira nanamarika izay 30 taona maherin’ny “Manala Azy” izay, […]
Herintaona taorian’ny nahalasanany… : hisy fanomezam-boninahitra an’i Rak Roots
Herintaona izy izay no dify… Fa ao am-pon’ny rehetra kosa, indrindra ireo mpankafy sy ireo akaiky azy. Mazava loatra fa ny fianakaviana sy ny tarika nentiny no akaiky voalohany an’i Rak Roots, ary tsy nanadino ilay andro manjombona tamin’ny taon-dasa. Tsy mitanondrika intsony anefa, fa mitraka miatrika sy hanohy ny […]






