Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, ny mpandinika ny raharaha politika, Raveloson Constant. Anisany nohazavainy ny momba ny fifidianana sy ny mety hambaran’ny filohan’ny Repoblika, i Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa misy fandrika marivo tototra ny datim-pifidianana navoakan’ny governemanta io ka voajono amin’izany ireo rehetra voan’ny tazon-tseza. “Sahirana ny filoha […]
Other News
TSELATRA
Naratra mafy, nentina namonjy hopitaly ny mpamily ny fiara tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina. Nivadibadika ny fiara ka nipitika teny ivelany ny mpamily, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Tsy nisy olona ankoatr’azy tao anatin’io fiara io. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny loza. Nosamborin’ny polisin’ny «compagnie urbaine de […]
Roa lahy voasambotra : vehivavy 12 saika haondrana any Allemagne sy Koweït
Voasambotry ny polisin’ny Service Central des enquêtes specialisées, ny talata 11 jolay teo, ireo roa lahy sy vehivavy 12 noho ny resaka fanondranana olona hiasa any amin’ny tany Arabo. Tratra teo am-panaovana pasipaoro an’ireo vehivavy 12 halefa hiasa any Allemagne, Egypte ary Koweït izy roa lahy voarohirohy. Nohadiadian’ny polisy avy […]
Karandalana nivadika : zaza efatra namoy ny ainy
Ankizy avokoa ny efatra tamin’ireo olona dimy maty, nandritra ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antsaribao, 7 km tsy hidirana anatin’ny kaominina Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe, omaly. Niala tao Morombe, nitondra entana sy mpandeha hihazo an’i Toliara io karandalana io. “Avo be ny lalana ka nivadika avy hatrany ny fiara vantany vao […]
Fivadiham-pitokisana : 14 tapitrisa Ar lasan’ny mpiasa an-trano
Voasambotra afakomaly, teny Ampitatafika, ny mpiasa an-trano iray izay nivadi-pitokisana. Nangalatra vola 14 tapitrisa Ariary tao an-tranon’ny mpampiasa azy izy. Tra-tehaky ny polisy tetsy Ampitatafika, afakomaly, ny vehivavy iray nivadi-pitokisana tamin’ny mpampiasa azy. Nangalatra vola 14 tapitrisa Ariary izy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nentim-pahatokisana ny tompon-trano ka namela azy […]






