44 taona lasa ny marina kokoa, satria efa tamin’ny taona 1982 izy ireo no niara-dalana. Mpianatr’i Hans Ranaivoson avokoa, teo amin’ny sehatry ny hosodoko ry Georges Rakotomanana, William Randriamanana, Rafalimanana, Rakotomalala Joe ary Miraniaina Randriamalala. Tafaraka indray izy ireo ankehitriny, ka hiara-hanatontosa fampirantiana “Tsiaro ny lasa”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, […]
Other News
Mbola manaiky lesoka hatrany : Ny kolontsaina tsy misy avo sy iva
Niverina indray ilay fomba fijery napetraky ny mpanjanaka. Rehefa any ivelany na avy any ivelany, tsara. Ny eto an-toerana, tsy mahomby loatra. Any amin-javatra hafa ivelan’ny kolontsaina mety hitombina izany… Ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Tsy mba azo refesina ka hametrahana venty tahaka ny lanja, habe, velarana, halavirana… […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 14 550 ireo nisitraka mivantana ny fandaharanasa Afafi-Nord nandritra ny 96 volana nisiany. Tohodrano 22 no vita ka nahafahana namatsy rano tanimbary hatrany amin’ny 9 823 ha, mandavantaona. Fahombiazana tanteraka ny tetikasa sady nanohana ny fampandrosoana ny tokantrano teny anivon’ireo faritra telo niasany, entina hanohanana ny famokarana sy ny fiharian’ny tantsaha. […]
Fandrindrana ny vokatra: Vidin’ny orinasa SPM 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry
Nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny tantsaha ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary. Tapaka taorian’ny dinika fa hovidin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) ara-drariny ny vary akotry eny amin’ny tantsaha. Hetsika izay natomboka teny Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Araka izany, ho alain’ny orinasa amin’ny […]
Jirama : Ampy tsara ny herinaratra ho an’ny RIA
Nitondra fanazavana momba ny fitantanana ny Jirama, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Amin’izao voina mihatra any Toamasina, vokatry ny rivodoza Gezani farany teo izao, nambarany fa efa misitraka rano fisotro ny 60% ny mpanjifa. Ho an’ny famatsian-jiro, zotra manana tanjaka salantsalany (MT) miisa 6 amin’ireo 11 […]






