Ho fanohizana ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, tonga eto Madagasikara ireo Sinoa manampahaizana 6 mianadahy. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Andre Haja, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo sinoa manampahaizana 6 mianadahy hanome fiofanana ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023. Taranjam-panatanjahantena […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hiverina ny “Tafan-glita”. Tetikasa iray, nampiarahana ireo kalaza amin’ny tendry gitara amin’izao fotoana, ahitana an’i Mbola Talenta, Jovin, Nini Kolibera ary i Hoby. Lasa anaran’ny tarika mihitsy taty aoriana izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Piment Café Behoririka ry zalahy ny zoma izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny tafasiry eny […]
Handeha voalohany ny sabotsy izao… : maneho ny fototry ny fihavanana Malagasy ny “Nampoina”
Herintaona sy tapany no namolavolana azy… Betsaka ireo miandry mafy ny hivoahan’ilay sarimihetsika “Nampoina, ny riaka no valampariako”, nosoratan’ny Profesora Ranjeva Raymond ary notontosain-dRandrianierenana Henri. Handeha voalohany eto Madagasikara ity sarimihetsika ity, ny 15 jolay izao, ao amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Mahay ampahany amin’ny tantaran’Andrianampoinimerina avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. “Ampahany” […]
«4-Maso Team Kalo A Capella» : hihira amin’ny gadona sy teny maro
Taorian’ny tetsy Ambodivona, Tana Water Front, ny 25 jona teo, manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny 4-Maso. Hisy ny seho “4-Maso Team Kalo A Capella”, ny asabotsy 15 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. A Capella amin’ny endriny maro, gadona maroloko ary amin’ny […]
Raha omena lanja : mahavelona ny fampianarana zavakanto
Nokobonin’ny tsirairay ny fahaizana zavakanto hatramin’izay. Tsy nanome vahana azy io rahateo ny rafitra nisy. Niova izany, ankehitriny, ka nanjary fameloman-tena ny fampianarana azy. Ho an’ny mozika, sandaina 15 000ar (sarany ambany indrindra) ny mianatra mitendry na mitsoka na mikapoka zavamaneno ao anatin’ny ora iray. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny […]






