Maro ny taratasin’ady miakatra ao amin’ny fitsarana Toamasina. Misy anefa ireo tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny manaraka azy. Ny 18 avrily teo, nivoaka ny ordonnance laharana faha-047-CC/CA/ TOA/23, avy amin’ny filohan’ny fitsarana voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, Razafiarison Hery Harizandry, izay misahana ny ady heloka bevava sy ny […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Hiditra an-tsehatra amin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM, tanterahina eny amin’ny FLM Ambatovinaky, anio ireo mpanao politika. Anisan’ireo hakana hevitra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo sy ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny sosialy, fihariana sy toekarena ary koa ny politika. Nambaran’ny loholona Ramanambitana Richard, teny Anosy, omaly, fa adihevitra mivilana ny momba ny fizakan’ny filohan’ny […]
Fivoahan’ny datim-pifidianana : mbola nametraka fepetra ny mpamatsy vola
Mbola ampahany ihany ! Anisan’ny fepetra notakin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ahafahana miroso amin’ny fifidianana ny famoahan’ny fanjakana ny datim-pifidianana. Efa nampahafantarina, omaly, izany. Mbola maromaro ny teboka hafa ilan’ny vahiny sy mbola anarahany maso ny zotran’izany. Antoka ahazoana fanampiana eo amin’ny vola izany na mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany aza ilay […]
Mila mailo sy malina
Mazava ny zava-drehetra, namoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny governemanta, omaly. Ny fanomanana rahateo efa miroso tsikelikely na dia tsy mifanaraka aza ny vola nangatahan’ny Ceni sy ny azo, hoenti-miasa. Ny zava-dehibe! To ny fanirian’ny Malagasy maro anisa, tsy mankasitraka ny fitarozahan’ny raharaham-pirenena sy ny fivoizana Tetezamita. Niarahan’ny rehetra nahita […]
Fanapahankevitry ny governemanta : hatao ny alakamisy 9 novambra ny fifidianana filoham-pirenena
Nohamafisin’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni. Hotanterahana ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena . Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo fa manamafy ny maha firenena mandala ny demokrasia sy mametraka ho tany tan-dalàna an’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fifidianana. “Anisan’ny mahatonga antsika ho tafiditra amin’ireo […]






