Samy milaza ho tsy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatanterahan’ny fifanatrehan’ny roa tonta, ny 30 jona teo, na ny solombavambahoaka na ny governemanta. Tsy avy amin’ny solombavambahoaka ny tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana ny governemanta. Io ny fanamarihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, ny faran’ny […]
Other News
TSELATRA
Vehivavy iray voaendaka tao amin’ny Pavillon Analakely, omaly tolakandro. Nikasa hividy entana izy no narahin’ny jiolahy roa. Ny iray mody mibahana eo aloha, ny iray kosa misintona an-keriny ny poketra nisadika teo amin’ny valahany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy afa-nanoatra koa ireo mpivarotra sy ireo olona teo […]
Tranga hafahafa : ankizilahy hiatrika BEPC maty nihantona tao an-trano
Hatairana ny an’ny ray aman-dreniny raha nahita an-janany lahy 13 taona hita faty nihantona teo amin’ny fandriana, afakomaly, tao amin’ny fokontany Mangarano, Plle 11/46. Mpianatry ny CEG Mangarano ity niharam-boina ity ka tokony hiatrika ny fanadinana BEPC, anio, izy kanjo izao namoy ny ainy tampoka izao. Hita faty nihantona tamin’ny […]
Ampasika : jiolahy roa lavon’ny polisy, iray voasambotra
Rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy roa nandritra ny fifanjevoana tetsy Andranovaky Ampasika, ny alin’ny zoma 30 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa mifampitaona eny amin’ny toerana iray amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, hanafika tsenam-barotra iray ao 67 ha. Nidina ifotony, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ny polisy. Nanao fihetsika […]
Fanaovana hosoka : zandary iray naiditra am-ponja
Zandary am-perinasa iray, mpanao hosoka amin’ny varotra simenitra, no naiditra am-ponja. Efa mpamerin- keloka izy, raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana. Nahafahana nanenjika azy ny fitorian’ny mpanjifa sy ilay orinasa lasibatra. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy, ny 21 jona lasa teo, ny zandary milanja ny galona GHC iray, voarohirohy amina […]






