Other News

Jirama: Hanolo ireo kaonteran-drano mihoatra ny 15 taona

Mampahafantatra ny rehetra ny Jirama fa hatomboka eny Ankadindratombo sy ny ma­no­didina ny fanoloana ireo kaoteran-drano efa antitra, mihoatra ny 15 taona. Tetikasa hana­tsarana ny fisitrahana rano fisotro na PAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanatsarana ny famatsian-drano eto Antana­narivo sy ny manodidina. Hi­tety ny isan-tokantrano hanao ny asany […]

Toamasina : Miverina tsikelikely ny herinaratra

Mampahafantatra ny mpanjifa ny vondrona Filatex Energy fa efa miasa ny 30% ny famokarana herinaratra vokarin’ny Enelec Toamasina. Efa misy koa ny ampahany fampitana ny herin-jiro any amin’ny tambajotran’ny Jirama, ary mitohy tsikelikely izany. Mampiseho ny fandrosoan’ny asa ara-teknika, hiantohana ny famatsiana herinaratra any Toamasina, tao­rian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany […]

Fambolena : Mahatratra 5,17 tapitrisa isan-taona ny voka-bary

Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara. Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimba­zaza. « Efa voafaritry ny Lalàmpanorenana fa anjaran’izy ireo ny manolotra ny praiminisitra. Efa misy ny vondrona parlemantera maro anisa eny Tsimbazaza hanolotra izany », hoy izy. Mitaky ny hamerenana ny fifidianana depiote farany teo ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : «Ny filoha no manendry izay hiara-miasa aminy»

“Tsy ao anatin’ny fivoriana izahay amin’izao fotoana izao. Nisy fanapahan-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izay nandrava ny governemanta. Tsy maintsy misy koa fandraisana andraikitra avy amin’ny Antenimierampirenena, araka izay lazain’ny lalàmpanorenana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fandravana tampoka ny governemanta. Ny […]