Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, […]
Other News
“World Cup U19”- Ampahavalon-dalana: I Espagne na i Frantsa no miandry ny Ankoay
Fandresena voalohany ary manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny basikety malagasy, ny nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Liban, ny alahady teo, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Fifaninanana tontosaina any Debrecen Hongrie. Laharana fahatelo vonjimaika, miaraka amin’ ny Slovenie i Madagasikara, ao amin’ny vondrona B, rehefa resin’i Etazonia ary nandresy […]
ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy
Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Malagasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Nanambara […]
Fiadidiana ny Repoblika : “Adihevitra ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny”
“Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Ambohitsorohitra, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika […]
INDRAY MIJERY
16 mianadahy ny ankizy beazina ao amin’ny akanin’ny Marenina (Akama) etsy 67ha niatrika ny fanadinana CEPE. Afa-panadinana avokoa ny 14 tamin’ireo. Nahatratra 87,5%, araka izany, ny taham-pahafahana. Hampitaina amin’ny teny tanana ny lesona ho an’ny ankizy. Hafana ny andro ao anatin’ny roa andro. Hidina ny maripana manomboka ny alakamisy tontolo. […]






