Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, tokony hoentina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny volabe entin’ireo firenena hanohanana seha-pihariana vao mainka manapotika ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fandaniana amin’ny fambolena sy ny solika. Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 15 jona 2023 teo, tany Washington, fa maro ny firenen-dehibe mandany vola fahatany […]
Other News
« Star Tour Tanà » : nafana ririnina ny Coliseum
3 andro an-danonana. 3 andro nahitana olona nifanaretsaka, tonga namonjy ny karazam-pialamboly natolotra azy, ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nahatratra ny tanjona napetraka ny hetsika « Star Tour Tanà », tontosa ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo. Tsy nahasakana ny mpiala voly ny hatsiaka, indrindra nandritra ny fotoan’ny fanentanana sy ny fampisehoana. […]
Fitondrana am-bavaka ny firenena : nanaka-danitra ny antsam-piderana tetsy Mahamasina
Efa mahazatra isan-taona ny « podium » etsy sy eroa, ny afomanga, ny matso ary ny fampisehoana aorian’izay. Niavaka tamin’ity taona ity kosa ny seho ara-pilazantsara lehibe, nitondrana am-bavaka ny firenena tetsy Mahamasina. «Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Seho goavambe, tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ity. Notontosaina ny alahady […]
Matso lehibe: tsy nandray anjara ny Tafika frantsay
Anisan’ny nandrasan’ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao ny fahatongavan’ny Tafika frantsay avy any amin’ny FAZOI, omaly, teny Mahamasina. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny antony izay tsy nampahafantarina ny mpanatrika. Nilaza ny Jly Andriamasimanana William, tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), fa tokony ho […]
Niova fianjaika !
Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]






