Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny […]
Other News
TSELATRA
Na teo aza ny hafatrafatra nampitain’ireo tomponandraikitra nanao ny fandaminana ka nampizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fankalazana ny fety, nisy ihany koa ny tandrevaka nataon’ireo ray aman-dreny sasantsany amin’ireo zanany. Tao ireo efa tonga ny mpanaraka naka ireo ankizy niaraka taminy, ao kosa ireo mbola tazonin’ny tomponandraikitra […]
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : olona efatra tratra namaky fasana
Soa ihany fa tonga haingana ny polisy! Tratran’ny fokonolona namaky fasana ny jiolahy efatra tao Anosiarivo Manjakandriana, omaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Manjakandriana no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Vantany vao nahita ity trangana vaky fasana sy halatra taolam-paty ity ireo mponina teo amin’ny manodidina dia nampandre haingana ny […]
Hanafenany ny endriny…: mahavita mampiasa solovolo ireo jiolahy
Ravan’ny polisy tao Antsirabe, ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, ny sabotsy lasa teo. Enina mianadahy ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny polisy tamin’io fotoana io. Nanano sarotra ny fanenjehana ireo olon-dratsy satria efa nandritra ny enim-bolana no nifanenjehana tamin’izy ireo, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Tsy […]
Fanafihana mahery vaika: roa lahy voatifitra, vehivavy roa takalonaina
Namoy ny ainy voatifitry ny dahalo ny roa lahy mianaka. Nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ny vehivavy roa. Habibiana mahatsiravina ! Nasesin’ny dahalo novonoina tao amin’ny trano fonenany ny raim-pianakaviana sy ny lehilahy iray hafa tao amin’ny fokontany Sahamamy, distrikan’Amparafaravola, ny alin’ny 23 jona hifoha ny 24 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, niditra […]






