Other News

Depiote Razafimanantsoa Hanitra : “Mirona tanteraka ho any amin’ny fifandonana isika”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”. Nambarany fa mampanahy ny ho avy sy ny hiatrehana ny fifidianana raha miainga amin’ny zava-misy, ankehitriny. Nambarany fa efa tsy ho azo atao intsony izany izao ny fifamezivezena sy ny fananana zo haneho hevitra. “Miezaka […]

Ho raharahabe !

Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao […]

Torimaso fotsy: fiara tsy mataho-dalana, nahafaty mpitaom-biriky

Maty tanatin’ny indray mipi-maso ny mpitaom-biriky iray. Voafaokan’ny fiara teny Anosizato, omaly. Voalaza fa tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. Olona iray namoy ny ainy teo no ho eo vo­ka­try ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana iray nikasa hihazo an’Ampitatafika no niharan-doza […]

Teo am-pikononkononana fanafihana : jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy mpamerin-keloka, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonana fanafihana mitam-piadiana ao Tsaravavaka Antsirabe ka namonjy izany. Vao nahatazana ny polisy ny andian-jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nifamaliana ny tifitra, maty ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy hatramin’ny […]