Other News

Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina

Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Ana­lanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponi­na ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroan­tsetra, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina, […]

Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono

Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Ma­roan­tsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Ma­ha­tante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Nato­lotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Anten­dromaso […]

Delestazy : hiverina amin’ny laoniny ny herinaratra amin’ny zoma

Fahataran’ny famatsiana solika mavesatra noho ny tsy fahatomombanan’ny sambo mpitatitra. Fihenan’ny tohodrano hatramin’ny 30%, izay mampanano sarotra ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano. Ireo no nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, Rabarison Hery Tiana, fa antony mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao. Notohizany fa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny filàna herinaratra eto […]

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna : manome tohana ny governemanta amerikanina

Mamolavola paikady sy politika hoentina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna i Etazonia, miaraka amin’ireo Nosy aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Misy ny fivoriana mandritra ny hatelona hanatanterahana izany. Manantitra ny fahavononany i Etazonia hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ireo firenena amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe […]