Other News

Hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey : arahin’ny fitsarana maso Rakoto Doris Samuel

Hotanterahina ny 16 jona izao ny fitsarana an-dRakoto Samuel Doris taorian’ny nihainoan’ny fampanoavana azy tetsy Anosy, omaly. Ara­hin’ny fitsarana maso kosa anefa ny tenany mandra-pahatongan’izany ka afaka nody, araka ny fanapahan-kevitry ny mpanao famotorana. Nosamborin’ny zandary vao maraina teny an-tranony, eny Andoharanofotsy ity va­din’i Mahery Lanto Manan­dafy (Malama) ity. “Tsy […]

Arai : fiara 185 sy kaonty 361 no giazina

“Fiara 185 vinavinaina hoe azo tamin’ny kolikoly, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola no halain’ny Arai amin’ny toeram-pitanana azy”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasolohari­manana Aimé, teny Imeri­manjaka Ambohijanaka, ta­min’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’io rafitra iadiana […]

Fametraham-pialan’ny Mgr Razanakolona Odon : voatendry ho arsevekan’ Antananarivo ny Mgr Raoelison

Nilatsaka ny fanapahan’ny any amin’ny fiketrahana Masina. Neken’ny Papa Fransoà ny fametraham-pialan’ny Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo. Notendren’ny any Vati­kana avy hatrany hisolo ny toerany, ho Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Evekan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao izy ary eo amin’ny faha-60 taonany. Nohamasinina ho […]

Fitsaram-bahoaka tao Fianarantsoa: niakatra fampanoavana ireo olona iray kamiao voasambotra

Niakatra eo anivon’ny fampanoavana ao Fiana­rantsoa, omaly hariva, ireo olona iray kamiaobe indray voasambotry ny polisy sy ny zandary tamin’ilay raharaha fitsaram-bahoaka nitranga tao Andranomaitso. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nandray ny antontan-taratasin’ireo voarohirohy avy amin’ny polisy ny fampanoavana raha mbola niandry kosa ny antontan-taratasy avy amin’ny zandary. Nitohy […]

Hajao ny an’ny tena !

Manomboka mivolon’andro asaramanitra ny eto an-tanàna. Mihatomotra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Efa manakoako ny tsipoapoaka. Manomboka mihofahofa ny sainam-pirenena na tsy mbola marisika amin’ny fananganana izany aza ny maro. Eto indrindra no mba hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay. Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina, fanehoana ny maha izy azy, ilay […]