Other News

Trano Kolotoraly Malagasy: Nodimandry Randrianjatovo Henri

Maro ireo nahita soa avy aminy na teto an-tanindrazana na ny any ivelany. Ran­drianjatovo Henri, iray amin’ireo oloben’ny fahalalana ara-panahy no tsy eo intsony. Sabotsy 7 marsa 2026, nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany, Ran­drianjatovo Henri filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Sehatra maro no nahafanta­rana azy. Goavana indrindra tamin’izany ny tontolo ara-panahy, […]

Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina oma­ly tao amin’ny Boulo­drome Douaisis, France. Re­sin’­ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy […]

DAKA AN-JORONY: Ketriketrika mahatonga kotrokotroka

Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny […]

Volley-ball – CCCOI 2026 : Nihambozona medaly volafotsy ny Zandary lehilahy

Narovan’ny zandary lehilahy ny voninahi-pirenena tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), taranja volley-ball. Tompondaka lefitra izy ireo, ary nitondra medaly volafotsy nody. Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Victoria Sey­chelles, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny […]