Nifarana omaly alahady, tetsy Ankorondrano ny Rallye Motul, nokarakarain’ny FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena. Nanjakan’ny klioba ASACM sy ny fiara Subaru ny fifaninanana satria izy ireo avokoa no telo tonga voalohany. Nandrombaka ny fandresena, i Frederic sy i Mick, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 ora 20 mn […]
Other News
Orange Pro League : ady sahala ny CFFA sy ny Ajesaia
Niady tanteraka ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta tamin’ity lalao ampahefa-dalana mandroso, fifaninana «Playoff Orange Pro League (Opl) 2023», ity. Fifanandrinana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Ambohidratrimo. Nanokatra ny isa voalohany ny Ajesaia, tamin’ny alalan’i Feno, ny minitra faha […]
Basikety-Fanomanana “World Cup 3×3”: hanao ny ezaka rehetra ny Ankoay lehilahy
Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, hanaraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana. Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy […]
Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar
Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voafantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]
Horonantsarimihetsika : tafaverina ny « Malok’ila »
Tontosa tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Mining Business Ivato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny horonantsarimihetsika “Malok’ila Le Grand Retour». Hanomboka amin’izay, araka izany, ny fandefasana ity horonantsarimihetsika malaza ity manerana ny Nosy. «Teo amin’ny manodidina ny enim-bolana teo no nikaondoha nanao azy ny rehetra […]






