Fialamboly ho an’ny rehetra : Hisy lalao 50 mahery ny “Magic Land Halloween”

Noho ny halehibeny, noraisin’ny mpikarakara ho andiany manokana mihitsy ny “Magic Land Halloween”. Goavana sy marobe ary sahaza ny sokajin-taona rehetra ny fialamboly azo atao amin’izany.

Ho an’ny tontolon’ny fialamboly sy ny kilalao. Iray amin’ireo hetsika lehibe sy sahaza ny sokajin-taona rehetra ny «Magic Land Halloween». Ny 7 novambra sy ny 8 novambra izao, samy manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, no hanatanterahina izany, ao amin’ny Urban Fu­tsal Zone Galaxy Andraharo.
Hisy karazana lalao mi­hoatra ny 50 eny an-toerana. Nokendrena ho sahaza ny fianakaviana sy ny sokajin-taona rehetra izy ireo, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Misy ho an’ny zaza, toy ny «gonflables», «trampoline élasti­ques», «mascottes», «dan­se», «facepainting», «pêche aux canards» … Ho an’ny ankizy sy ny tanora: «jeux vidéo», «atelier crochet», «salle black-out», «rodéo», «jeux de société», «Just dance », « angry bird géant»… Ny olon-dehibe, afaka milalao ireo rehetra ireo miampy lalao hafa ihany koa. «Ho avy eny an-toerana, ohatra, ry zareo avy ao amin’ny Federasionin’ ny lalao échec. Hisy orinasa mpanamboatra kilalao ho an’ny ankizy ihany koa ho tonga eny haneho ny kilalao vokariny sy hampilalao ny ankizy sy ny tanora», hoy hatrany ny mpikarakara. No­marihin-dry zareo fa «omena lanja lehibe ny kilalao mala­gasy».
Ho an’ity «Magic Land Halloween» ity, fantatra, omaly, tetsy amin’ny Arakadia Analakely, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, fa hahazoana loka avokoa ny lalao rehetra. «Na resy ianao na mandresy, mahazo loka avokoa», hoy hatrany ny mpikarakara. Nomarihin-dry zareo fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo hikarakara hetsika tahaka izao ny tsy fahampian’ny fialam-boly sa­haza ny sokajin-taona rehetra eto Antananarivo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: