Instat sy BNI: hanampy ny orinasa madinika manana ny toerany

Nifanaraka ny Instat sy ny BNI, omaly, fa hiara-kiasa hifanome vaovao. Sambany nisian’ny fiaraha-miasa toy izany teo amin’ny sampandraharaham-panjakana iray sy ny sehatra tsy miankina. « Votoatin’ny fiarahan’ny roa tonta, ny Instat nomena alalana hanome vaovao ho an’izay mila antontanisa rehetra hanampiana azy ireo. Hatramin’izay isika tsy nazoto loatra nitrandraka ny antontanisa misy », hoy ny tale jeneralin’ny Instat, Romalahy Zefania.

« Hovaina izany manomboka izao amin’ny alalan’ireo vaovao samihafa mahakasika ny mponina sy ny fampandrosoana tiana apetraka. Isan-taona ny Instat, mandrafitra izay misy, izahay koa mila anareo tsy miankina », hoy ihany ny tale jeneralin’ny Instat.

Ny BNI kosa, amin’ny alalan’ny tolotra famatsiam-bola Kred atao hanampiana ny orinasa madinika (PME), izay manana ny toerany eto Madagasikara, mampirisika hatrany ireny orinasa madinika ireny hiala amin’ny tsy ara-dalàna (informel) hiditra anatin’ny rafitra manara-dalàna (formel) Amin’izao fotoana izao, mbola misy telo tapitrisa anatin’ny sokajy tsy manara-dalàna eto Madagasikara, ary 5 % monja misoratra amin’ny banky.

Mila anatin’ny rafitra manara-dalàna

Rehefa tafiditra anatin’ny ara-dalàna ahafahana mifaninana amin’ireny tolotra momba ny tsena ireny, mifandray amin’ny sampana hafa manamora ny asa sy manome tolotra ho an’ny orinasa lehibe. Koa ny Instat, hanome antontanisa ho an’ny Kred hanampiana ireo orinasa madinika. « Ny Kred ao amin’ny BNI kosa manome tolotra ho an’ny asa mampidi-bola rehetra, ary manome toky fa eo hatrany hanampy hampiroborobo izany », hoy i Adrian Chindris, tale jeneraly lefitra, mitantana ny Kred ao amin’ny BNI.

Manambara ny fiovana misy ny fifarahana natao sonia, fitambarana eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina hanao asa fampandrosoana, hanolotra vaovao ny andaniny sy ankilany hananganana tontolo iainana vaovao ho an’ny fandraharahana tena hampidi-bola, satria ny rehetra maniry hahazo vola.

 

Ndrina

Partager sur: