Marolambo: nisitraka milina manana tanjaka 110 kW

Taorian’ny fahapotehana vokatry ny hasomparan’ny olona sasantsasany ny Jirama Marolambo, nitondra vahaolana avy hatrany ny teo anivon’ny fitondram-panjakana, ny alatsinainy teo. Notolorana milina mitondra tanjaka 110 kW  hamatsy  herinaratra ny mponina  ny tanànan’i Marolambo.  Hiainga avy any Toamasina, hanampy ny 50 kw efa ao Mahanoro ity milina io. “Atao araka izay haingana kosa ny fahatongavan’izany any an-toerana”,  araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tsiahivina, tsy tao an-toerana ny lehiben’ny distrika sy ny solombavambahoaka ary ny zandary kaomandin’ny borigady nandritra ny nitrangan’ny fahasimbana. “Ampy hamatsy herinaratra ho an’i Marolambo ity milina mitondra tanjaka 110kW ity, saingy tsara ihany raha miampy, hoy ireo teknisianina. Etsy ankilany, miverina toy ny teo aloha ihany koa ny fahatapahana lavareny ny herinaratra ho an’ i Toamasina renivohitra,  ary mitsitapitapy ny famatsian-drano tato anatin’ny herinandro.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: