Indray mijery

Nanaovan’ny ONG Cœur et Conscience hetsika manokana ireo zaza tsy misitraka ara-dalàna ny zony tao amin’ny kianja mitafon’Antsiranana I, ny faran’ny herinandro lasa teo. Notontosaina nandritra io fotoana io ny fiza­rana loka ho an’ireo mpianatra mendrika tamin’ny fifaninanana
« Evénement de solidarité », « Génération Cœur et Cons­cience » ary « Baba mandray andraikitra », izay natao ny volana oktobra lasa teo. Mpianatra avy amin’ny sekoly miahy teny ao amin’ny ambaratonga fototra 17, ao amin’ny sokajy fanabeazana ambaratonga faharoa sivy; mpianatra amin’ny lycée roa ary tanora efa afaka bakalorea 40 no voakasik’izany.

Hanamarika ny toetr’andro ho an’ny anio hatramin’ ny alahady ny orana mitsitokotoko izay hivadika oram-baratra ho an’ny ilany andrefana sy atsimo andrefan’ny Nosy, rahampitso. Hitoetra mandritra ny hateloana koa ny fitsokan’ny rivotra any Taolagnaro. Alizay kosa no mandrafitra ny toetr’andro ho an’Atsinanana. Eo anelanelan’ny
14 ka hatramin’ny 27°C ny maripana ambany sy ambony indrindra ho an’ny telo andro.

Partager sur: