Anisan’ireo mivory amin’ ny fihaonana an-tampony Rosia–Afrika koa ireo minisitry ny Raharaham-bahiny eo amin’ny andaniny sy ankilany. Nitarika ny fivoriana ny minisitra Rosianina, Sergueï Lavrov.
Nisongadina tamin’izany ireo fanamby atrehin’ireo firenena afrikanina. Anisan’izany ny fiantraikan’ny fifanolanana ara-jeopolitika mitohy eo amin’ny fandriampahalemana sy ny lalàna momba ny famatsiam-bola. Nanamafy ny fahavononany hampiroborobo ny fiaraha-miasa ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, N’Diaye Alice. « Mila mifototra amin’ny fifanajana sy ny fiandrianam-pirenena isika ary mikendry ny hanitarana ny sehatra hahafahana miara-miasa », hoy izy. Nanao antso avo koa ny tenany mba hisian’ ny rafi-pitantanana maneran-tany mirindra sy ara-drariny. Manome toerana mendrika kokoa ny kaontinanta afrikanina eo anivon’ireo rafitra iraisam-pirenena tompon’ny fanapahan-kevitra izany, araka ny nambarany. Niantso koa ny minisitra mba hisian’ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena mifanaraka amin’ny filana sy ny hetahetan’ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Nohamafisiny ny fahavononan’i Madagasikara hanohana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny famahana am-pilaminana ny fifanolanana ary ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’ny fihaonana fa tokony hararaotina ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy Afrika. Anisan’izany ny sehatry ny fampiasam-bola, ny varotra sy ny fifanakalozana ara-toekarena. Eo koa ny famindrana fahaiza-manao, indrindra eo amin’ny siansa sy ny teknolojia ary ny fampandrosoana rafitra indostrialy matanjaka kokoa manerana ny kaontinanta.
Synèse R.





