Tsara ny vokatra ho an’ ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), tamin’ity taona 2022 ity, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny GNVB, Chef d’escadron Commandant Fortunat, tetsy Betongolo, omaly. Anisan’ny nisongadina indrindra ny fandraisana anjara voalohan’ny GNVB vehivavy, teo amin’ ny sokajy 1ère Division, izay nisalotra ny tompondaka lefitra […]
Mois : novembre 2022
Rallye Bosch CT Motors: hiady izay ho tompondaka i Mathieu sy i Fred
Hamarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia ny Rallye Bosch CT Motors. Hanana ny lanjany izany satria hamaritra izay hisalotra ny ho tompondakam-pirenena 2022. Hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 11 novambra ho avy izao ny Rallye Bosch CT Motors. Dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fantatra […]
Tapis mohair: vidiana 20 000 Ar ny kilaon’ny volon’osy
Misedra fahasahiranana ny famokarana ny tapis mohair any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mitantara ireo mpisehatra fa mihasarotra ny fitadiavana volon’osy. Miharatsy ny volon’ireo osy noho ny tsy fahampiana sakafo haniny sy rano sotroiny noho ny haintany mivaivay any an-toerana. Mitantara i Limbesoa, mpanenona tapis mohair ao Ampanihy, fa vidian’ny mpampiasa […]
Gripa mahery : tsy tonga mianatra ny antsasaky ny mpianatra
Mamely ny ankizy madinika ny gripa mahery. Lasibatra ireo ankizy any am-pianarana. Raha misy anankiray voan’ny gripa dia mifindra amin’ny ankamaroan’ireo mpianatra izany. Manomboka tsy mianatra tsikelikely ny ankizy. Tonga amin’ny fanaviana ka mitarika ny ankizy tsy afaka manohy mianatra anaty fotoana elaela. Saika ny antsasaky ny kilasin’ireo ankizy madinika […]
COVID 19: mila averina ny arovava orona
Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely fa manoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro maromaro farany, tokony handray ny fepetra mifandraika aminy ny tsirairay. Tsy mbola natsahatra ny fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 fa nankinina tamin’ny fahendren’ny isam-batan’olona ny fampiharana izany. Hiditra […]




