Tsy mety tapitra ny hatezeran’ny mpanjifa sy ny mponina noho ny fahatapahan-jiro, amin’ny tambajotra mamatsy ny any amin’ny tapany an-drefan’Antananarivo, miainga etsy Anosizato. Taorian’ny tany Antanentimboahangy Analavory, ny zoma hariva 25 novambra, nidina an-dalambe koa ny mponina any Moratsiazo avaratr’Ampefy, distrika Soaviandriana, omaly tolakandro. Nobahanan’izy ireo ny lalana, sady nandoro […]
Mois : novembre 2022
Fianarantsoa: tsenabem –paritry ny harena an-kibon’ny tany
Natao tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, niarahan’ny faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe, nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny minisitera. Nisy koa ny loabary an-dasy hanatsarana ity sehatra ity. Nampahatsiahivin’ny minisitra Rakotomalala Herinandrainy Olivier, ny paikady, hampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika, nametrahana ny fari-pitrandrahana […]
Tonotolo iainana: niofana momba ny lalàna ireo mpanao gazety
Nanaraka fiofanana tany Ampefy, mikasika ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny herinandro lasa teo. Tanjona ny ahalalan’ny mpanao gazety ny lalàna sy ny elanelana eo amin’ny fiarahamonina sy ny lalàna. Nikarakara azy ny Alliance voahary gasy, ao […]
Kabary – Manda: nivoaka ny andia “Tafita”
Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tontosa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Manda. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny […]
Sarimihetsika fohy: hizara ny “Le petit Piaf” i Gerard Jugnot
Mandalo eto Madagasikara i Gerard Jugnot, mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika frantsay. Nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, omaly. Hizara sy hampahafantatra ilay sarimihetsika novokariny, “Le petit Piaf” izy, izay alefa ao amin’ny Cinepax Ambodivona, ny 27 desambra ho avy izao. Mitantara ny fiainana […]




