Mirongatra ny valanaretina samihafa manerana izao tontolo izao tao anatin’ny dimy taona farany. Mila manana paikady hiatrehana izany ny firenena tsirairay. 129 ny valanaretina niseho manerana izao tontolo izao, tamin’ity taona ity, raha 106 izany tamin’ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Société infectieuse de Madagascar (Spim), profesora Randrianasolo […]
Mois : novembre 2022
IORA : hampivelatra ny fiaraha-miasa ara-barotra
Nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny IORA na ny « Indian Ocean Rim Association » andiany faha-22 natao tao Bangladesh, minisitry ny Raharaham- bahiny misolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, nanomboka ny 22 novambra teo. Nifototra tamin’ny fikatsahana ny tombontsoa iraisan’ ny firenena mikambana ity fihaonambe ity. Anisan’izany ny fampivelarana […]
“Play Your Airport”: tetikasa mitondra fanavaozana sy azo tanterahina
Nampanao fifaninanana “Play Your Airport” ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eo Ivato sy Nosy Be. Ny 25 novambra teo natao ny famaranana ka nankatoavina nahazo loka izay tetikasa mitondra any amin’ny fanavaozana momba ny fandraharahana ao amin’ny seranam-piaramanidina, fitaratara aty amin’ny ranomasimbe indianina. Nisokatra ho an’ny mpianatra sy […]
Atsimo Atsinanana: foara nitadiavana lalam-barotra
Notontosaina tany Farafangana renivohitra Atsimo Atsinanana ny foara niompana amin’ny toekarena. Tanjona, fampahafantarana ireo vokatra misy ao amin’ny faritra : kafe, sakay, dipoavatra, tantely ; avy amin’ny fiompiana sy ny jono : trondron-dranomamy sy ranomasina, langouste. Ny hita dia efa miroso amin’ny fanodinana ireo fikambanana ka efa misy fonosana tsara ny entana hahafahana […]
RAFPRO-FMFP: sarotra ny mahita mpiasa tena matihanina eto Madagasikara
Mpikambana feno ao amin’ny tambanjotra Rafpro* izao ny FMFP* eto Madagasikara nanomboka tamin’ny marsa 2019. Ny FMFP dia sampana iray mpanofana momba ny sehatrasa maro, indrindra ho an’ny tanora hahatonga azy ho matihanina. Mivory eto an-toerana nanomboka omaly hatramin’ny 1 desambra 2022, « Top management », izao ny tambajotra Rafpro iombonan’ny firenena […]




