Eran-tany

Mararin’ny Covid izao ny fihodin’ny toekarena any Chine. Ampiharina ny hamehana ara-pahasalamana noho ny firongatry ny Covid amin’izao fotoana izao any Chine. Voadona mivantana ireo indostria samihafa, fitaterana, trano fandraisam-bahiny na fizahan-tany. Misy ihany anefa ny tanàna sasany manalefaka ny fepetra raisina hanomezana aina kely ny toekarena.
Tsy mandray solika avy any Rosia intsony ireo firenena ao amin’ny Vondrona eoropeanina, nanomboka omaly. Na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza, noferana ho 60 dolara ny solika avy any Rosia. Sarotra ny haminavinana ny fiantraikan’izao fepetra noraisin’ireo firenen-dehibe tandrefana ireo izao. Mailo hatrany ny Opep, fikambanan’ireo tany mpamokatra solika, handray fepetra haingana raha ilaina.
Mikorontana ny voly voaloboka sy ny famokarana divay mampalaza an’i Frantsa. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mahatonga izany, nitondrana ny fitarainana amin’ireo mpandinika ny toetr’andro. Fikambanana sy orinasa maro no matiantoka amin’izao fotoana izao any any -toerana , tsy tsara ny vokatra voaloboka , ratsy ny divay noho ny hafanana be loatra.
200 000 ny toerana tsy misy mpaka ankehitriny eo amin’ny sehatry ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana any Frantsa. Miantso vonjy maika amin’ny alalan’ny tolotrasa ny UMIH (Union des métiers et de l’industrie de l’hôtellerie) , vonona hatramin’ny fandraisana mpiasa vahiny ry zareo. Voalaza fa vitsy ny tanora manaraka fianarana mahakasika ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana any Frantsa, Vitsy satria kely karama, hono.

Partager sur: