Tselatra

Nanao fanarahan-dia dahalo nangalatr’omby, nifanena tamina andian’olona ny mpitandro filaminana valo lahy avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria ao Anjiajia, afakomaly maraina. Nanao ny fisavana karatra ireto andian’olona nifanena taminy ireto ny zandary. Nandà izany ireo olona ireo. Nanao tifi-danitra taorian’ireo ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana. Tezitra ireo andian’olona ka nanakana ireo valo lahy tsy hanohy intsony ny diany. Niantso ny lehibeny tao Anjiajia ireto zandary ireto ary nanao tongotra an-katoka nihazo ny toby. Nanaraka azy ireo anefa ireo andian’olona 40 lahy nitondra basy sy sabatra. Nikasa hisambotra ireto mpitandro filaminana ireto izy ireo.

Partager sur: