Filoha Rajoelina Andry: “Hidina 14 000 Ar ny vidin’ ny lasakan’ny simenitra”

Notatanterahina, omaly tao amin’ny kaominin’Alatsinainy Ibity – faritra Vakinankaratra, ny fanombohan’ny asa fanitarana sy fanavaozana ny ozinina mpamokatra simenitra, Cementis. Hampidina ny vidin’ny simenitra iray gony ho 14000 Ariary izany.

Nitarika ny lanonana ta­ny an-toerana tamin’izany ny filoha Rajo­e­lina Andry. Nambarany fa ho vita ary hihodina amin’ny taona 2025 ny orinasa vaovao. Hampiasa akora vokarina eto an-toerana ihany izany Ci­mentis izany. “Hitombo avo dimy heny ny famokarana simenitra ka hahatratra ha­tra­min’ny 1.000.000 taonina izany raha 180.000 taonina izany izao. Kendrena ny hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsimenitra sy ny hampidinana hatramin’ny 14.000ar ny vidin’ny iray lasaka, raha 30.000ar izany amin’izao fotoana izao”, hoy izy.
Nohamafisiny fa manamarika ny fahatokisan’ny mpandraharaha vahiny ny fanatsarana nentina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika sy ny fitondram-panjakana ny fametrahana izao ozinina goavana izao.

Fampiasam-bola ho an’ny Malagasy
Tokony ho taratry ny hambompom-pirenena ny ozinina go­avana tahaka itony ka antony nitakiany tamin’ny vondrona Cimentis ny 20% amin’ny fampiasam-bola mba hisokatra ho an’ny Malagasy rehetra eto an-toerana sy any ivelany na koa ny “Diaspora”, araka ny na­mbarany. Nan­te­riny fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano fahafito sy ny fa­namby napetrany izao tetikasa izao. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny indostria eto amintsika.
Tsiahivina fa notontosaina omaly koa, ny fanaovan-tsonia fifanaraha-piaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vondrona Cementis.

Synèse R.

Partager sur: