“Nitondra vokatra marobe ny fanjakana malagasy tamin’ ny fihaonana manokana tamin’ ny mpikamban’ny governemanta tamin’iny fihaonana an-tampony iny.” Io ny nambaran’ ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly, taorian’ny nanatrehan’ny
delegasiona malagasy ny Fihaonana an-tampony fahatelo Rosia-Afrika, tany Mascou, Rosia. Samy nanao sonia fifanekem-mpiaraha-miasa avokoa ireo minisitra tonga tany.
Ny ao amin’ny Fahasalamana, ohatra, nitondra laboratoara finday roa nomen’ny fanjakana rosianina. Ny minisiteran’ny Fambolena, hisy ny fananganana Foibe fanofanana momba ny fambolena miaraka amin’ny Rosianina. Ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, hampitomboina ny isan’ny mpianatra homen’ ny fanjakana rosianina vatsim-pianarana hianatra any Rosia. Manaiky ny mari-pahaizana malagasy ry zareo. Noho ny fitoviana amin’ny fiaraha-miasa izay fanekena ny mari-pahaizana malagasy izay. Ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, misy vondrona manokana mety ho tonga, hanampy amin’ny fiadiana amin’ny fivoahan’ny volamena antsokosoko. Ny vondrona rosianina Eurasia hanome vola 10 tapitrisa dolara ho amin’ny tetikasa sosialy, toy ny fanofanana tanora. Hihamafy kosa ny fiaraha-miasa ara-tafika misy amin’izao.
Namaranana ny dia tany Rosia ny fandraisan’ny filoha rosiana, i Valdimir Poutine, ny delegasiona malagasy tao amin’ny Lapam-panjakana Kremlin, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny filoha Vladimir Poutine fa manana ny lanjany eo amin’ny fitandroana ny filaminana iraisam-pirenena i Madagasikara, amin-dry zareo. Vonona ry zareo hampiroborobo ny fiaraha-miasan’ny firenena rao tonta hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny eo anivon’ny Firenena mikambana.
R. Nd.





