Praiminisitra sy ny mpanolotsaina avo : « Olana ny fifehezan’olom-bitsy ny fanjakana »

Tonga eto amintsika ireo Britanika manampahaizana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny ady amin’ny fifehezan’olom-bitsy ny fanjakana « Capture d’Etat ». Nandray azy ireo, teny Iavoloha, ny Praiminisitra sy ny mpanolotsaina avo.

Nambaran’ny mpanolo­tsaina avo eo anivon’ny Fanavaozana ny Repo­blika, ny Kly Rampanarivo Sofoloniaina Thierry, fa mbola olana lehibe tokony hodinihina sy arahi-maso akaiky ny «Ca­pture d’Etat». Miseho izany rehefa misy olona na vondron’olona manana tombontsoa manokana na mpisehatra ara-toekarena na politika mitaona sy mibaiko ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, amin’ny fa­molavolana lalàna na fitsipika ary ny politika ampiharina mba hanasoavany ny tombontsoan’ny tenany na ny vondron’olona misy azy. «Ola­na iray tokony hojerena manokana ny fifehezan’olom-bitsy ny fanjakana. Hiteraka fitantanana tsy araka ny tokony ho izy ny haren’ny firenena izany. Eo koa ny tsy fisian’ny fifaninanana ara-drariny sy ny fahaverezan’ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana ary ny fifantohan’ny tombontsoa ara-toekarena eo an-tanan’ olom-bitsy», hoy izy. Manampy izany ny fanapahan-kevitra tsy mangarahara na voasariky ny tombontsoa manokana. Mety hampihena ny fahafahan’ny fanjakana manatanteraka ny andraikitra fototra ankinina aminy koa izany, araka ny nambarany hatrany.

Nanteriny fa mety hitranga tsikelikely sy miafina ao ambadiky ny fomba fiasa, toy ny manaraka lalàna izany kanefa manimba ny fahaleovantenan’ ny Andrimpanjakana sy ny fahafahany manantanteraka ny andraikiny. Niantso ny rehetra ny tenany mba samy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy ny fanamafisana ny fahamendrehan’ireo An­drimpanjakana.

Fitiavan-tanindrazana

Nialoha izany, nambaran’ ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa ilaina ny fametrahana ny tombontsoam-pirenena ho lohalaharana, mialoha ny an’ny tena manokana. «Izany no tena fitiavan-tanindrazana», hoy izy. Notsin­driny fa tokony hahafoy na handefitra amin’ny tombon­tsoany manokana ny rehetra ka hanomezana lanja ny fanjakana. Notsiahiviny fa ani­san’ny antony nisafidianan’ny filoham- panjakana, ny Kly Randria­nirina Michaël azy ho lehiben’ ny governemanta ny fahitsiany sy ny fahasahiana, indrindra eo amin’ny ady amin’ ny kolikoly, araka ny nambarany. «Ilaina izany foto-kevitra izany, miaraka amin’ny finiavana hiala amin’ny fomba fanao, miainga ao am-po sy ao an-tsaina», hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: