Fitakian’ireo depiote: “Aleo hatao ny latsa-bato…”

Namatrapatratra ny depiote Tim, Razarapiera Fidel na i “Del kely” tao amin’ny fandaharany “Miara-manonja – MM”, omaly. Takin’izy ireo ny hirosoana amin’ny dingana manaraka ho amin’ny fitsipahana ny governemanta.
“Efa voapetraka iny fitsipahana iny ary efa nanaraka ny lalàna avokoa. Aleo hatao ny adihevitra sy ny firosoana amin’ny latsa-bato, rahampitso (anio) amin’ny 3 ora sy sasany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy misy sonia azo foronina sy angalarina izany amin’ireo depiote miisa 105 ireo. Tokony hitory koa ireo niharan’ny hala-tsonia raha misy izany, araka ny nambarany.

Fiarovan-tsezan’ireo minisitra
Nanteriny fa safidy malalaka tsy nisy basy ny fitsipahana ary tsy nobaikoin’iza na iza. “An-tsitrapo ny sonia ary fitiavana ny tanindrazana sy ny Antenimiera, nahatsiaro ho voatsindrin’ny fahefana mpanatanteraka sy nozimbazimbaina ka niray feo”, hoy izy. Nohamafisiny fa sahy nijoro ny depiote ary mbola nampi­an’ireo depiote IRD, Ratsi­vahiny Andry sy Raholdina Naivo ary Razafitsinandraofa Brunelle izany. Notebahiny koa ny minisitra Tinoka Roberto, nambarany ho miaro seza ka nampiantso sy nanery ireo depiote avy any Atsimo, tsy hanara-dia amin’ny fitsipahana. Anisan’ny namolavola ny rijan-teny amin’izany anefa ny maro amin’izy ireo. “Asaina manala pataloha imasom-bahoaka izao ny depiote ary faly ny mpanatanteraka. Mivoaka miditra amin’ny fanapahan-kevitra ireo namana”, hoy izy. Teo koa nilazany fa norahonana sy notreronina ireo depiote IRD sasany nantsoina amin’ny toeran-kafa. Mbola nisehoana tsy fanajana lalàna, fifampitsabahana sy fampifangaroana andraikitra koa anefa izany, araka ny nambarany.

Manohana 100% ny filo­han’ny Antenimiera ny Tim
Nanterin’izy ireo fa manohana 100% ny filohan’ny Antenimiera izy ireo ary eken’ny Tim ny ho fanapahan-keviny, na ho inona na inona.
Mitovy amin’izany koa ny GPR, ahitana ny depiote isa­ny, i Voninahitsy Jean Eugen sy i Johasy Eléonore. Tsy tokony foanana io fitsipahana io. Tsy azo ekena ireny teritery sy ny tsindry avy amin’ny mpanatanteraka ireny. “Aleo handeha ny adihevitra sy ny latsa-bato…”, hoy izy ireo. Notsindrin’ny depiote Johasy Eléonore fa ara-dalàna ny rijan-teny ary tokony hotanterahina.
Nanitrikitrika ny hala-tsonia kosa ny depiote, tsy miankina Randrianasolo Nicolas ary nanambara fa miendrika fanonganam-panjakana ny fitsipahana ny governemanta. “Tokony handraisana fepetra izany. Manome vahana ny Tim, ary efa nilazako ireo IRD ireo na tsy mpanohana fitondrana aza izahay”, hoy izy. Tokony ho mailo ny filoha manoloana ny vary sy ny tsimparifary. Maro loatra ireo manodidina azy manipy hoditr’akondro, araka ny nambarany .

Synèse R.

Partager sur: