Fitsipaham-pitokisana : misara-bazana ny depiote na samy IRD aza

Tsy misy intsony ny fitovian-kevitra eo anivon’ny von­drona parlemantera? “Vao tsy ela no nandany tamin’ny isa mavesatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023, ny Antenimie­ram­pi­re­ne­na. Andro vitsivitsy aty aoriana, mivadika ny rasa. Inona izany ny zava-misy tao anelanelany tao?”, hoy, ohatra, ny depiote IRD voafidy tany Mi­a­rinarivo, Rakoton­dra­soa Fetra. Fanamafisana ny fahatokisana ny governemanta ny fandaniana ny tetibola napetrany. Andro vitsivitsy aty aoriana, misy fitsipaham-pitokisana. Inona no dikan’izay? Apetraka amin’ireo tomponandrakitra politika lehibe eto amin’ny firenena izay. Mila vahana ny olana hahazoan’ny depiote tena miasa amin-kitsim-po sy tena manohana ny filoha Rajoelina manatanteraka ny hetahetam-bahoaka.

Ilaina fahamarinan-toerana ny fitondrana
Fanambarana kosa no na­taon’ireo depiote voafidy tany faritanin’i Toliara, nentin’ny kestora voalohany, ny depiote IRD voafidy tany Ambo­vom­be Androy, Henri Jean-Michel, ma­­noloana izay toe-javatra ma­mpisavorovovo ny An­te­ni­mi­erampirenena izay: “Ma­na­ma­fy ny fanohanana tsy misy fepetra ny filohan’ny Re­po­b­lika. Ma­m­piseho firaisankina ka mitsipaka marindrano ny fitsipaham-pi­tokisana hatao amin’ny governemanta.”

Mila hanaovana fitsirihana ny fitantanana
“Tsy ny fanaovana fitsipaham-pitokisana no vahaolana hialana amin’ny fahasahiranam-bahoaka fa ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana ny fi­ton­dram-panjakana”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambovombe Androy, Mi­la­vonjy Philobert. Manao antso avo ny fitondram-panjakana hisian’ny fitantanana madio sy mangarahara izy. Tokony hasiana fitsirihana na Inspection générale de l’Etat (IGE) ny Antenimierampire­ne­na hijerena ny zava-misy marina. Tsy afenimpenina ka ailika any amin’ny hafa ny tsy fetezana amin’ny fitantanana tsy madio. Noho izay fitantanana tsy mety sy tsy mandeha araka ny tokony ho izy izay no mahatonga ny depiote tsy manana solika amin’izao. Tsy tokony ho gaboraraka na havela fotsiny izany, fa aleo hanaovana fitsirihana mba hisian’ny marina sy mangarahara amin’ny fitantanana.

R. Nd.

Partager sur: