Lisitry ny mpifidy: mila tehirizina ny takelaka

“Aoka tsy hohadinoina fa rehefa manao fanisana ny mpanisa mpifidy, misy takelaka (autocopiant) iray mijanona ho an’ny olom-pirenena. Mila takina izany amin’ireo mpanisa mpifidy”, ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina.
Iny takelaka nisoratana anarana iny no hahazoana manao fitarainana amin’ny Ceni sy ny tomponandraikitra. Manomboka any amin’ny mpanisa mpifidy izany ka hatrany amin’ny kaomiseram-pifidianana nasionaly. Izay no hahazoana manao fitarainana fa voaisa ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary voarakitra ao anatin’ny takelaka ny mombamomba ny tena, nefa tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy na misy diso ny filazana momba ny tena.
Ny olom-pirenena tsy vitan’ny hoe tokony hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy karakaraina amin’izao fanavaozana ny lisi-pifidianana izao fa miezaka mifampiresaka sy mifandresy lahatra amin’ ireo tsy mbola resy lahatra. Raisina ny mpanisa mpifidy, ary hamarinina ny antontan-kevitra momba ny tena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: