Ravokatra Fidiniavo: «Famadihana tanindrazana ny nataon’ny depiote IRD”

Anisan’ny naneho hevitra ny minisitry ny Rano, Fa­na­di­ovana sy fidiovana (MEAH), Ra­vokatra Fidiniavo, mikasika ilay fanangonan-tsonian’ny so­lom­bavambahoaka miisa 105 hanaovana fitsipaham-pitokisana ny govnernemanta. Nam­ba­ra­ny fa fahefana feno ananan’ ny Antenimieram-pirenena to­koa izany, fa tokony ireo so­lo­m­bavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy. Hita fa nisy ta­min’ireo depiote 105 na­nao sonia avy amin’ny IRD, izay midika fa fivadiham-pitokisana amin’ny filohan’ny Re­pob­­li­ka, midika tsy fahatokisana azy. Notohizany koa fa adi­dy azon’ny mpiara-dia entina ny manome angom-baovao sy antontan-kevitra ho an’ny filoham-pirenena, manampy izay efa ananany, mba ahafahany ma­n­dray fanapahan-kevitra ara-potoana sy mametraka ny paikady rehetra. Azo heverina fa famadihana tanindrazana fa­ra-tampony (haute trahison) atao amin’ny filohan’ny Re­po­b­li­ka, izay antom-pisian’ny vovonana IRD.

Fanapotehana ny zava-bita rehetra
Notsiahivin’ny minisitra, fa betsaka ny asa fampandrosoana vita nanomboka ny taona 2019, fa maro koa ny miandry. Koa, midika ho fandravana sy fanapotehana ny ezaka vita rehetra ny firosoana amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ho ravana ve ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka PTF ?
Koa, miantso fitoniana sy fiaraha-mientana ny minisitry ny Rano, hanatanterahana ny Velirano 13. Antsoiny koa ireo deipiote IRD hampiato ny fitsipaham-pitokisana, fa hanaraka ny fandaminan’ny filohampirenena. “Manana etika ny praiminisitra sy ny minisitra, fa ny segondra handraisana ny fepetra no fotoana hanekena ny fanesorana ary tsy asiana fanotaniana hoe fa nahoana, na hoe inona ny antony?”

Njaka A.

Partager sur: